Lalao Afrikanina: vonona haka ny medaly volamena ny Makis Ladies

Hotanterahina manomboka ny 18 marsa ho avy izao ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, amin’ny Lalao Afrikanina atao any Accra Ghana. Fanamby goavana ny miandry ireo Makis, vehivavy.

Nanainga omaly, teto an-tanindrazana, hihazo an’i Accra Ghana ny Makis Ladies Madagascar, hiatrika ny Lalao Afrikanina amin’ny taranja rugby lalaovin’ olona fito. Nambaran’izy 12 mirahavavy mpilalao mandrafitra ny Makis, omaly, teny amin’ny kianja Makis An­doha­tapenaka, fa vonona ny ekipa hanome ny tsara indrindra avy amin’izy ireo ary tanjona ny hahazoan’i Madagasikara ny medaly volamena.

Araka izany, tonga nitsodrano azy ireo teny an-toerana, ny minisitry ny Fana­tanjahantena sy ny Tanora (MJS), Haja Andre Resampa, sy ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel. Nanome vatsin-dalana ho azy ireo, entina miatrika ny fifanintsanana ny minisitra MJS. «Zava-dehibe tanteraka ny fiarovana ny voninahi-pirenena ary anisan’ireo taranja tsara eto amintsika ny Rugby. Tsy mpandray anjara fotsiny isika fa efa firenena vonona haka fandresena», hoy hatrany ny voalazan’ny minisitra.
Tsara ny mampahafantatra fa ankoatra ny mpilalao dia ny mpanazatra ny Makis Ladies, Maminarivo Hajasoa Andriamaro na Coach Mami­kely sy ny «staff» malagasy rugby iray no mameno ny delegasiona ho 14 amin’ity dian’izy ireo any ivelany ity. «Hoezahina ny haazo fandresena hatrany, amin’ny lalao rehetra hatao», hoy ny mpanazatra Makis Ladies, ny Coach Mamikely.

Tsiahivina fa saika ireo mpilalao efa niatrika ny “Mon­dial Rugby à 7”, natao tany Afrika Atsimo, ny taona 2022, sy ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, no mandrafitra ny Makis Ladies.

Fitia Randria

Partager sur: