Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, andiany faha-10, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa tafakatra. Tena nafana tanteraka ny lalao ampahavalon-dalana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Anisan’ny hiatrika ny ampahefa-dalana, anio, ny ekipa tompondaka tamin’ny andiany farany, ny U-magis, eo amin’ny sokajy lehilahy, rehefa nanilika ny ekipan’ny ITU, tamin’ny isa 81 no ho 49. Hiatrika izany ampahefa-dalana izany koa ny EMIT Fianarantsoa. Tena niady tanteraka ny fihaonany tamin’ny ENS, teo amin’ny ampahavalon-dalana, izay isa tery dia tery, 73 no ho 71 no nivoahany ho mpandresy. Lalao anisan’ny nampitsanga-mitoetra ihany koa ny fihaonana teo amin’ny CNAM sy ny ESSAGRO. Isa 60 no ho 57 no nandavoan’ ny CNAM ny mpilalaon’ny AGRO. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, nampiseho ny maha ekipa sangany azy ny EGS ary nomontsaniny tanteraka tamin’ny isa 75 no ho 6 ny IST. Toraka izany koa, ny ekipan’ny ENS izay nandresy ny CNELA tamin’ny isa 53 no ho 18. Hafana ny ampahefa-dalana anio, satria hisy ny fanentanana samihafa ankoatra ny lalao. Mpanakanto manana ny maha izy azy no hanafana ny fotoana ary mitohy ihany ny fifaninanana Dj Mendrika indrindra sy ny Dance Contest.
Mi.Raz
Voka-dalao omaly
Sokajy lehilahy :
EMIT 73-71 ENS ; CNAM 60-57 ESSAGRO ; UCM 55-61 ESMIA ; CNTMAD 53-46 EGS UMAGIS 81-49 ITU ; ACEEM 58-49 IUM ; IEP 71-79 FAC ; SCIENCES ESD 61-45 FLSH
Sokajy vehivavy :
ENS 53-18 CNELA ; ESSCA 55-20 ASJA ; ISPM 23-32 IMGAM ; ISCAM 20-42 IUM INSCAE 30-28 EMIT ; FAC EGS 75-06 IST ; ONIFRA 22-32 ESSAGRO