Hotontosaina manomboka anio, eny Mahamasina, ny fampivondronana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, taranja baolina kitra. Hivoaka anio ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra anatin’ny “Fenêtre Fifa”. Miaraka mipetraka amina hotely lehibe iray, etsy Ivandry, ny mpilalao voafantina eto an-toerana, nanomboka omaly.
Raha tsy misy ny fiovana, hisy mpilalao mila ravinahitra any ivelany hamonjy ity fanomanana ny ekipa nasionaly ity. Andrasan’ny rehetra, araka izany, ny lisitra mety havoakan-dRakotondrabe Romuald Felix, Malagasy mpanazatran’ny Barea.
Tsiahivina fa hiatrika lalao roa ny ekipa nasionalin’i Madagasikara amin’izany. Ny zoma 22 marsa ho avy izao, hifanandrina amin’i Burundi izy ireo. Hihaona amin’i Rwanda kosa ny alatsinainy 25 marsa, samy hatao eo amin’ny kianja Barea Mahamasina..
Fitia Randria