Nifarana omaly 17 marsa, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany faha-10 “Youzou Smatchin Orange”, taranja basikety ho an’ny Oniversite. Voahosotra ho tompondaka ny IUM sy ny U-Magis.
Tafavoaka ho tompondaka tao anatin’ny ekipa 20, sokajy vehivavy, ny ekipan’ny IUM, rehefa nahazo ny fandresena 49 no ho 46 nanoloana ny ESSCA. Lalao tena niady ity fihaonana ity ary tsy nampoizina hatramin’ny farany izay hibata ny fandresena teo amin’ny sokajy vehivavy. Mpilalao tena Nisongadina ary anisan’ny nitondra ny fandresena ho an’ny IUM i Ninah izay nahafaty “lancer franc” intelo ka nahazoan’izy ireo ny fandresena.
Voatazon’ny U-Magis ny anaram-boninahitra
Tsy namelan’ny U-Magis raha tsy notazominy hatramin’ny farany ny anaram-boninahitra ka tsy nisy afa-bela nanoloana azy ireo ny mpifanandrina taminy, hatrany am-piandohan’ny fifaninanana. Tsiahivina fa ity ekipan’ny Sekoly ambony etsy Amparibe ity no tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy, tamin’ny andiany faha-9 fifaninanana Smatchin. Mbola vao fanindroany izy ireo no nandray anjara ary izao tompondaka indroa nisesy izao. Omaly, mbola noporofoin’ny U-Magis ny maha ekipa tompondaka azy ireo, nandritra ny famaranana nanoloana ny ESMIA. Isa 65 no ho 50 no nisarahan’ny roa tonta. Nanantombo tamin’ny ampaham-potoana voalohany ny U-Magis, raha toa ka somary very kely teo amin’ny ampaham-potoana faharoa ka nihoaran’ny ESMIA. Niezaka nanonitra ny lesoka ny U-Magis tamin’ny ampaham-potoana fahatelo ary nanjaka tanteraka tamin’ny ampaham-potoana fahefatra ka nahazo ny fandresena mazava 65 no ho 50. Ankoatra ny famaranana, nafana tanteraka ny lanonana famaranana ity andiany faha-10 ity, noravahin’ireo famaranana ny fifaninanana isan-karazany toy ny “Miss&Mister”, “Dance Contest” ary ny “meilleur Dj”.
Mi.Raz