Mitohy hatrany ny fitadiavana vahaolana sy paikady hanatsarana ny taranja volley-ball, ataon’ny federasiona malagasy. Taorian’ny jery todika natao mahakasika ny fandraisan’i Madagasikara ny “CCZone7” farany teo, hisy ny fampihaonana ireo Malagasy teknisiana. Andro iray atokana ho an’ny mpitantana, mpanazatra, mpikatroka, hifandinihana izay tokony hanatsarana ity taranja ity. Ny sabotsy 23 marsa izao, ao amin’ny ANS (Académie nationale du Sport) Ampefiloha, no hanatanterahana ity “journée de réflexion” ity. Tanjona ny hahafahana mampiakatra ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiantsehatra rehetra eo amin’ity taranja ity eto Madagasikara. Ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ ny volley-ball, Raoelison Hasimbola, no hitarika ny fotoana amin’io. Hisokatra amin’ny rehetra kosa anefa ny fifampizarana ary hiarahana mikaroka izay paikady tena hanatsarana ny taranja volley-ball. Tsiahivina, tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny federasiona, izay tarihin-dRaharimalala Léa, izao paikady fanavaozana sy fanatsarana izao. Manantena ny fahatongavan’ny mpisehatra rehetra, araka izany, ny federasiona malagasin’ny volley.
Mi.Raz