Petanky Be Analamanga: lasan’ny fokontany Ambohitsoa ny Scooter

Fahombiazana ny Petanky Be Analamanga, nokaraka­rain’ny ligy, notanterahina ny sabotsy sy alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ivato. Fihaonana nifanandrinan’ireo fokontany eto an-dRenivo­hitra. Voalohany ny fokontany Ambohitsoa, nisy an’i Jean-Chrysostome sy Solotiana ary i Jimmy. Lasan-dry zalahy ny moto scooter sy ny solosaina ho an’ny fokontany ary finday avy amin’ny Telma. Resin-dry zalahy teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 2, ny fokontany Ankazotoho, nahitana an’i Mamy sy Iarotiana ary i Eric. Fahitalavitra sy fahana no lokan’izy ireo. Faha­telo, Mandroseza nisy an’i Jessi­noro, Jeannie, i Fy Ny Aina, nahazo ny Subwoofer sy fahana. Nahatratra 153 ny isan’ny ekipa nandray anjara ka 9 taona ny zandriny indrindra, izay nahazo fanomezana ihany koa. Nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga fa tanjona ny hanomezana sehatra ireo mpilalao eny anelakela-trano ary fitarihina azy ireo hiditra amin’ny rafitra federaly. Nanome ny loka ho an’ny mpandresy i Lalaina Vatosoa, sady filoha lefitry ny ligin’Ana­lamanga. Fankahereza na ny ligy amin’ny ezaka ataony ary fampiri­sihana ireo mpilalao ny nanosika azy hanohana ny Petanky Be Analamanga. Aterina any amin’ny fokontany mihitsy ny loka amin’ity herinandro ity, ka hanamarinana raha tena mipetraka ao tokoa ireo mpandresy.

Torcelin

Partager sur: