Anjaran’ny Makis Ladies no miakatra kianja amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana. Hanomboka anio ny fifanintsanana ho azy ireo. Tsy misy afa-tsy firenena dimy ny hiady medaly volamena.
Hanomboka, anio, ny fifanintsanana ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy vehivavy eo amin’ny lalao afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Tsy misy afa-tsy firenena dimy ny hiady ho lohany: i Ghana mpampiantrano, i Tunisie, i Madagasikara, i Nigeria ary i Ouganda.
Tsy nozaraina sokajy fa mifandimby midona ny ekipa rehetra ka manao ny lalao manasa-dalana ireo efatra voalohany. Raha ny fandaharam-potoana, lalao tokana ihany no ataon’ny Makis, anio. Ny telo ambiny kosa rahampitso. Hidona voalohany amin’ny Makis i Nigeria. Raha ny tombantomban’ny maro, mety tsy hahasakana ny tovovavy malagasy ry zareo nizerianina.
Fihaonana faharoa ho an’ny Makis, ny fifanandrinana amin’i Ghana avy eo hifampitana amin’i Tunisie ary farany ry zareo Ouganda. Heverina fa anisan’ireo ekipa mafy amin’ity rugby vehivavy ity, i Tunisie sy i Ouganda. Andrasana izany ny vokatra hoentin’ny Makis izay sokajian’ny maro fa sangany amin’ity lalao afrikanina ity.
Milalao ny Ankoay
Ankoatra ny taranja rugby, hiditra an-tsehatra ny Malagasy mpilalao basikety. Miditra amin’ny lalao fahatelo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny Ankoay U23, anio ka hifandona amin’i Bénin ny lehilahy. Hifampitana amin’i Egypte ny vehivavy. Tsiahivina fa efa nahazo fandresena indroa ny lehilahy nanoloana an’i Mali sy i Ghana. Faharesena roa kosa ny an’ny vehivavy raha nihaona tamin’i Côte d’Ivoire sy i Ghana. Manify ny herijika ho an’ny vehivavy izay mila mandresy anio.
Andrandrain’ny rehetra fa hanampy ny medaly ho an’ny Malagasy ny basikety sy ny rugby. Tsiahivina fa mbola eo amin’ny laharana faha-9 i Madagasikara. Nahazo medaly volamena 4 sy volafotsy 2 ary alimo 7.
Tompondaka