Tonga ny fotoana ho an’ireo Malagasy mpankafy baolina kitra, hijerena indray ny Barea de Madagascar hiakatra kianja. Hihaona amin’i Burundi izy ireo, anio, etsy Mahamasina.
“Matoky ireo Malagasy mpilalao 25 mandrafitra ny Barea aho”, hoy Rakotondrabe Romuald Félix na ny Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea, omaly, teny Ivandry, nandritra ny valandresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety. Marihina fa hihaona amin’i Burundi ny ekipa nasionaly malagasy anio, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Lalao ara-pirahalahiana izay karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa”.
Tsiahivina fa nandritra ny “Can 2019”, tany Egypte, dimy taona lasa izay, no nihaona farany ny roa tonta. Resin’i Madagasikara 1 no ho 0 i Burundi tamin’izay. Nametraka fanamby ny handresy ny Barea eo Mahamasina ry zareo. Ankoatra izay, hatao aorian’io lalao io ihany koa ny fihaonana eo amin’i Rwanda sy i Botswana. Marihina fa ny alatsinainy ho avy izao, hifanandrina amin’i Rwanda i Madagasikara. Tsara ny mampahafantatra fa natao hanomanana ny lalao roa izay hihaonan’ny Barea amin’ny ekipam-pirenen’i Comores sy i Mali, ny volana jona ho avy izao, ity lalao ara-pirahalahiana ity.
Raha eo amin’ny filaharana eo amin’ny Fifa kosa indray, andrasana izay mety ho fivoarany aorian’ity lalao ara-pirahalahiana ity, satria tsy mbola nihetsika teo amin’ny laharana faha-109 i Madagasikara. Hivantana amin’ny Televizionina malagasy ny fihaonana rehetra ataon’ny Barea.
Fitia Randria




