Judo-“tournoi pour les malvoyants”: nihaona tamin’i Sensei Akira Kai i Nampoina

Hotanterahina rahampitso ao amin’ny Kodokan any Japon, ilay “tournoi pour les malvoyants”, amin’ny taranja Judo. Manana solontena miatrika izany isika, amin’ny alalan’i Nampoina Daniel, izay efa any an-toerana.

Raha ny vaovao voaray, nihaona tamin’i Sensei Akira Kai ity judokas malagasy ity, izay nitondra hery lehibe sy risi-po ho azy, amin’ny fiatrehana ny fifaninanana izany. Vita ny alakamisy teo ny “contre visite” sy ny “classification officiel” an’i Nampoina Daniel, nataon’ny IBSA, izay naharitra ora roa ka ao amin’ny “classe J2” no misy azy. Nizotra tsara ny fanomanan’ity atleta ity, ary vonona hiatrika ny fifaninanana ny lehilahy. Raha hiverenana ny mahakasika an’i Sensei Akira Kai, manam-pahaizana manokana 8ème Dan Kodokan , dia efa mpiara-miasa akaiky tamin’ny Federasiona malagasin’ny Judo, nanomboka tamin’ny fa­nomanana ny Jioi 1985, ni­ja­nona teto Madagasikara izy ha­tramin’ny taona 1989. Nive­zi­vezy nampiofana teto ihany izy taorian’izany, toy ny fanomanana ny Jioi tany Seychel­les 1991, ary tamin’ny 2000-2002 no niverina teto indray. Nam­pivoatra ny Judo malagasy izany, izay nahazoana anaram-boninahitra sy medaly maro ka nidirana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Sen­sei Akira Kai ihany koa no niara-namolavola ny “tournoi Capricorne Akira Kai Trophy” tamin’i Sen­sei Ashik Houssen, ary niara-nanangana ny Culture and Judo In School (CJIS – Judo éducation), na koa hoe Judo fanabeazana, niarahany tamin’ny So­ma­peche Maruha (1997-2000) sy IST Ampasa­pito. Nisaotra ireo rehetra, nahafahan’i Nam­poina Daniel hiatrika izao fifaninanana izao i Sensei Akira Kai, toy ny Kodokan Japon, IBSA (international Blind,, Sports Association), ny Fiton­dram-panjakana malagasy, ny Federasiona malagasin’ny Judo, ny MPC (Ma­lagasy Para­lympique Comité), ireo malala-tanana malagasy sy vahiny, satria tena dingana iray lehibe ho fikarakarana tsy ho an’ny Judo irery ihany fa ny fanatanjahantena ho an’ny jamba eto Madagasikara izao.

Hisy ny fiofanana ho an’ny mpifaninana

Ankoatra ny fifaninanana hanomboka rahampitso, hiatrika fiofanana ihany koa ireo judokas jamba mifaninana amin’ity “tournoi” ity, ny 12 sy 13 novambra izao. Tsiahi­vina, fifanintsanana mety ha­hazoan’i Nampoina ny tapakila hiatrehana ny lalao Olym­pika 2024 ity fifaninanana any Japana ity.

Mi.Raz

Partager sur: