Lalao Afrikanina : Tsy ampy fanomanana ny atleta malagasy

Nikatona tanteraka, ny sabotsy 23 marsa lasa teo, ny Lalao Afrikanina, andiany faha-13, notanterahina tany Accra, Ghana. Laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara.

Medaly volamena 4, volafotsy 4 ary alimo 7 no azon’ ny atleta malagasy niatrika ny fifaninanana. Vokatra tokony ho tsara lavitra noho izao satria nisy ireo taranjam-panatanjahantena nandiso fanantenana, raha tsy hiteny afa-tsy ny basikety 3×3 izay iaraha-mahalala fa mampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra afrikanina. Tsiahivina fa nandrombaka ny medaly volamena ny Ankoay tamin’ny lalao Afrikanina farany, taona 2019 tany Maraoka. Tsy tafavoaka vondrona akory anefa tamin’ity ny sokajy vehivavy, raha toa ka raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny sokajy lehilahy. Ekena fa nisy ny fanomanana saingy tsy ampy izany. Tsy ny basikety ihany no tsy ampy fanomanana fa anisan’izany koa ireo taranja sasany. Nanambara mihitsy ny Malagasy mpibata fonjamby, Andriamitantsoa Sabrinah, fa tokony nahazo medaly volamena izy saingy lesoka ny fanomanan-tena izay tena tsy ampy. Niaraha-nahalala ihany koa fa tsy nisy fampivondronana niarahana ho an’ireo atleta nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny lalao iny. Efa antomotra mihitsy vao nivoaka ny lisitry ny delegasiona hihazo an’i Ghana. Misy aza ny efa tao anaty lisitra no nesorina an-daharana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Ambentin-teny ny hoe izay atleta mendrika no alefa, vokatra no andrasana fa tsy fandraisana anjara fotsiny, tsy tanteraka araka ny tokony ho izy anefa izany noho ny tsy fahampian’izay fanomanana sy fanohanana izay.
Tsy nitovy ny tamin’ny lalaon’ny Nosy mihitsy ny fikarakarana ireo atleta ka nanahaka izay koa ny vokatra azo. Raha atao ny jery todika, ny taranja Judo sy fibatana fonjamby no nahazoan’i Madagasikara, ny medaly volamena. Ny iray norombahan-dRasoanaivo Razafy Laura, judokas malagasy, sokajy latsaky ny 70kg. Ny 3 kosa azon’Andriantsitohaina Eric, Malagasy mpibata fonjamby, sokajy latsaky ny 55 kg. I Egypte no nahazo ny laharana voalohany tamin’ity lalao Afrikanina ity izay nahazo medaly volamena 99, volafotsy 46 ary alimo 42. Laharana faharoa, i Nigeria, nahazo medaly volamena 47, volafotsy 33 ary alimo 41. Laharana fahatelo kosa i Afrika Atsimo, nahazo medaly volamena 32, volafotsy 32 ary alimo 42. Any Egypte no hanaovana ny andiany faha-14, amin’ny taona 2027.

Mi.Raz

Partager sur: