Basikety-Inter Lycée “All Step”: ho hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ny mpikarakara

Hotanterahina manomboka ny alarobia 3 avrily izao, ny fifaninanana “Inter-Lycée All Step”, taranja basikety. Fifa­ni­nanana karakarain’ny ligin’An­a­lamanga, taranja basikety, hiarahana miasa amin’ny minisiteran’ny Faabneazam-pirenena (MEN), natokana ho an’ny Lycée eto Analamanga. Tsy ny Lycée rehetra anefa no afaka mandray anjara fa ireo izay manana kianja afaka hilalaovana. Tsy maintsy mpianatra misoratra ao amin’ny sekoly ihany koa no afaka mifaninana ary ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny mpikarakara. Hisy ny sazy henjana homena ny sekoly sy ny mpianatra tsy manara-dalàna, raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ny ligy, Andriatsima Hery. Nanamafy izany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena (MEN), fa hanampy sy hifanome tanana amin’ny ligy amin’ny fikarakaraka ity fifaninanana ity. Tsiahivina, fifaninanana basikety 5×5 no hatao ary any amin’ny fiafaran’ny hetsika no hiditra ihany koa ny basikety 3×3. Ekipa 16 no hifaninana ary hozaraina vondrona 4. Ny sabotsy 30 marsa izao no hanaovana ny fivoriana ara-teknika.

Mi.Raz

Partager sur: