Rugby – Top 12 Mada: tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa ny Uscar

Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja rugby “Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa miaramila (Bebaoty) indray ny Uscar (Kaominina Antananarivo). Niondrika ta­min’ny isa mavesatra, 63 no ho 18. Raha tsiahivina, ireto ekipa roa ireto no niady ny amboaran’i Madagasikara, taona 2023.
Fizaram-potoana voalohany no hany niady sy nanohitra ny Uscar. 5 minitra nanombohana, nanokatra ny isa, ta­min’ny alalan’ny baolina voa­tsindry ary voatsara ny miaramila ka nitarika 7 no ho 0. Taorian’io, nahafaty “drop goal” indroa Radadatoa ho an’ny Uscar ka lasa 7 no ho 6 ny isa. Nahatonga baolina nentin-tanana indray i Gervais ho an’ny miaramila izay voatsara ka 14 no ho 6. Nanaitra ny torimason-dry Basta sy ny namany izany ka nahazo “essai de penalité” ny Uscar. 14 no ho 13 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Mbola nampian-dry zalahy “essai” iray izany avy eo saingy tsy voatsaran-dRadadatoa ka 18 no ho 14, nitarika ny Uscar. Totoafo ny fanafihan’ny miaramila, ka nahatsindry baolina ry zareo izay voatsara. 21 no ho 18 ny isa nentina niala sasatra, nitarika ny Bebaoty.
Fizaram-potoana faharoa, nanampatra ny heriny ry Maxime sy Gino ka tsy nahatohitra intsony ny Uscar. Sesilany ny baolina nentin-tanana. Tsy nahafaty na “hors jeu” iray aza ny Uscar.

Tompondaka

Ireo vokatra hafa

Tam Anosibe (23) – (13) US Ankadifotsy
STM (28) – (22) 3FB
Lalao fitsapana: CEA (48) – (30) Makis U20.

Partager sur: