“Nach No Gi National Championship” : Mpikatroka 167 no nisoratra anarana hatreto

Hotontosaina ny sabotsy 30 marsa izao, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Jiu-jitsu Breziliana “Nach No Gi”, na ny fifaninanana tsy manao kimono. Mpikatroka 167 no efa nisoratra anarana sy nahavita ny fandanjana ny sabotsy 23 marsa lasa teo. Klioba 11 kosa no handray anjara, ahitana ny Attila, Base, Checkmat, Combat club 101, Estrella, Free fight Mada, Guerreros, JJB Esca, One tribe, Southside ary ny Yoseikan budo Iarivo. Hisy ny mpikatroka avy any amin’ny faritra Atsinanana sy Androy handray anjara. Nambaran’ny teo anivon’ny federasiona, ny sabotsy lasa teo, fa fifaninanana tsy maintsy hatrehin’ny mpikatroka maniry ny ho voafantina amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ity “Nach No Gi” ity. Araka ny fandaharam-potoana, hisy ny “contre pesée” mialoha ny fifaninanana, izay hanomboka amin’ny 9 ora maraina. Sokajy 9 no hifaninana, ho an’ny lehilahy (Rooster, Light-Feather, Feather, Light, Middle, Middle Heavy, Heavy, Super Heavy, Ultra Heavy). Tsy hisy “Ultra Heavy” kosa ho an’ny vehivavy. Hampiavaka ny fifaninanana amin’ity, ny fanomezana loka ho an’ny ekipa mendrika indrindra, ka izay klioba mahazo medaly 20 no mihoatra no handrombaka izany. Hisy ihany koa ny loka ho an’ireo teknisiana mendrika indrindra. Tsy nasiana kosa ny mpikatroka mendrika amin’ity, araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany. Tsy nanadino nisaotra ireo manohana azy, ny federasiona amin’ity fifaninanam-pirenena ity. Anisan’izany ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena nanome ny toerana hifaninanana sy ireo mpiara-miombona antoka maro be.

Mi.Raz

Partager sur: