Mandritra izao fialantsasatry ny mpianatra izao, misy ny fampivondronana ireo mpilalao ping-pong latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, eto Analamanga. Nanomboka omaly, teny amin’ny Capsat Soanierana izany, ka mizara ny traikefany amin’ireo kilonga ilay japoney, i Takuya Sakamoto. Mahatratra 35 mianadahy, avy amin’ny klioba 11 eto Analamanga, ireo manaraka izany, isaky ny hariva. Mizara roa ity fampivondronana ity ka ny 25 ka hatramin’ny sabotsy 30 marsa ny andiany voalohany. Ny 2 ka hatramin’ny 7 avrily kosa ny faharoa.
Fanomezana teknika, fanitsiana ireo zavatra tsy mety mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny ping-pong amin’izao fotoana izao, ny tena fototry ny fampianarana. Tsiahivina fa mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny fikambanana JICA ny tenany ary fiaraha-miasa amin’ny federasiona malagasin’ny ping-pong no nahazoana izao. Haharitra 2 taona ny fiarahan’i Sakamoto amin’ny ping-pong malagasy.
Tsiahivina fa efa mpanazatra nandritra ny 20 taona i Sakamoto ary 35 taona nanaovana ping-pong. Efa nanazatra ny ekipan’i Maroc sy Inde.
Torcelin