Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fampianarana dihy noentin’ireo vahiny
roa vavy teto Madagasikara. Nahaliana ny Malagasy tonga teny Mahamasina izany. Talanjona ihany koa izy ireo amin’ny talentan’ny Malagasy mpandihy. Tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina no nanaovana ity fampiofanana dihy an-dRenivohitra «Perfect Your Dance» ity. I Axelle sy i Orlane, mpandihy manana ny maha izy azy avy any ivelany no nizara ny traikefany nandritra izany. Niarahan’ny minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena niasa tamin’ny federasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena sy ny L-FY Studio ny nikarakara ny hetsika. Tanora manodidina ny 500 hatramin’ny 600 no nisitraka ity fampianarana ity, izay nanomboka tamin’ny 8 sy sasany maraina hatramin’ny
4 ora sy sasany tolakandro. Nilaza ho afapo tamin’ny fampianarana sy fampiofanana, izay afaka natrehan’ny mpijery ny tanora nanatrika. Tanjona tamin’ity hetsika ity ny nahafahan’ireo tanora malagasy mpandihy nanatsara ny fahaiza-manaony sy naneho hevitra tamin’ny alalan’ity dihy an-dRenivohitra ity na ny “danse urbaine”. Raha ny fandaharam-potoana, nisy ny «ateliers de danse» niarahana tamin’
ireo mpiangaly «choregraphes» sangany. Nisy koa ny fanentanana amin’ny fiatrehan’ny tanora ireo olana ara-tsosialy ankehitriny, toy ny fisorohana ny vohoka aloha loatra sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny ara-tsosialy sy ny toekarena eto Madagasikara ny tanora, izay indrindra no katsahan’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena.
Mi.Raz