Nifarana omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja judo, sokajy minimes, cadets, juniors ary seniors.
Niakatra ny lentan’ny fifaninanana ary hita ho miakatra ihany koa ny haavo teknikan’ireo klioba vao misandratra. Na izany aza, tsy mbola mety lefy laza ny klioban’ny Saint Michel Amparibe sy ny ESCA Antanimena. Saika nifampizaran’ireto klioba ireto ny medaly volamena, nandritra ity fifaninanana nasionaly ity. Ady anisan’ny nisongadina ny fifanandrinana teo amin’ny sokajy latsaky ny 66kg, ka nahazoan-dRasoanaivo Razafy Luc, avy amin’ny klioban’ny Saint Michel amboara. Nanamarika ity fifaninanana nasionaly ity ny fanomezana grady ka nahazo izany, Andriamiharivolamena Zavamanitra, 1er dan, Rabemiarana Ramanetaka Mahatoky, 2è dan, Rakotonindrina Olivier Pascal , 2è dan, Rasoloson Andriniaina Randy, 3è dan ary Rasamoelina Joharinavalona , 3è dan. Ankoatra izay, nisy ny fanomezana voninahitra ny maître Heriniaina Vestalys, nahazo medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Vétérans. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny judo, fa nampiseho ny fahaizany izay mbola tsy nisy teo amin’ny tantaran’ny Judo malagasy, ny Maître Heriniaina Vestalys. Noho izany fitondrana avo ny voninahi-pirenena sy ny lazan’ny judo malagasy izany, nomena ny grady 4è Dan izy. Fandaharam-potoana nanamarika ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity ihany koa, ny seminera ho an’ny CTR (Conseils téchniques régionaux) sy ny filohana ligy ary ny mpikambana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo. Nampahatsiahivina nandritra izany ny anjara andraikitra ny CTR, ny fomba fisafidianana mpikatroka ary ny fomba fiasa sy fandrindrana ny asan’ny ligy sy ny federasiona.
Mi.Raz