Pancrace International: resin’i Mostepha i Xavier Fandihana

Notanterahina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady 31 marsa lasa teo, ny Pancrace sy K1. Fihaonana iraisam-pirenena nokarakarain’ny vaomiera malagasin’ny pancrace sy ny submission (CMPS). Nifanandrinan’ny Mala­gasy sy i La Réunion. Fandresena 4 ho an’ny vahiny, raha 1 ny an’i Madagasikara. Anisan’ny nibatan’ny Malagasy medaly volamena, ny nandresen’i Star Mostepha an’i Xavier Fandi­hana, tompondakan’i Frantsa sady efa tompondaka lefitra maneran-tany. Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’izy mi­ra­halahy ary efa tany amn’ny «round» farany vao tafavoaka i Mostepha.
Ho an’ireo ady hafa, lavon’i Ferrere, tamin’ny alalan’ny filavoana lefona i Toky Be. Ny traikefa sy ny fahazarana miatrika ady no tombony ho an’ity renioney, mpifanandrina taminy, ity. Resy an’isa koa i Sambatra nanoloana an’i Alban. Toy izany koa i Olivier izay lavon’i Raphael Rayepin. Ho an’ny vehivavy, lavon’i Lucie Zuiderzée, i Sandy. Mbola hisy ny lalao miverina hatao atsy La Réunion, ny volana jona ho avy izao.

Torcelin

Partager sur: