SOMBIM-BAOVAO

Nahazo ny fandresena tamin’ny “Motocross Grand Prix 501” indray, i Claudio Tida, Malagasy mpilalao Motocross, ny alahadin’ny paka lasa teo. Fifani­nanana natao tany Datsara Village Toamasina. Tsiahi­vina fa mbola mitarika vonjimaika, laharana voalohany, amin’ity fifanintsanana ity i Mathias Plantive, nahazo fandresena telo tamin’ireo dingana dimy efa vita.
Nifarana ny 29 marsa lasa teo, ny lalao savaranonando faharoan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma Coupe 2024”. Raha ny fikarohana natao, miisa enina ireo klioba avy eto Analamanga manohy ny diany amin’ity fifanintsanana ity. Anisan’izany ny Uscafoot D1, Requin Bleu, AS St Anne, FC Viva, Mi20 Fc, Toulon Academie.
Hotontosaina manomboka anio, eny amin’ny LMA Ampefiloha, ny fifaninanana isan-tsekoly « Inter –lycée », taranja Basikety 5×5, lahy sy vavy, izay karakarain’ny Ligin’Analamanga. Marihina fa efa notontosaina ny 30 marsa lasa teo, ny fivoriana ara-teknikan’ny“All Step”, anaran’ity fifaninanana ity.
Afaka enina andro, hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024” ny mpakafy baolina kitra maneran-tany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Arsenal Anglisy sy ny Bayern Munich Alemana. Fihaonana hatao ny 9 avrily ho avy izao, any Angleterre.

Partager sur: