Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny olona loatra ny Trisomie 21 na ny olona trisomika eto Madagasikara. Miteraka fitsarana sy fanilihina eny anivon’ny fiarahamonina izany zava-misy izany.
Tsy aretina fa toe-tena eo amin’ny olona iray izy io. Lasa mitondra telo ny chromosome any amin’ny faha-21 raha tokony ho roa ny an’ny olon-drehetra ara-dalàna, ka nahatonga ny trisomie 21. Iray ao anatin’ny 1 000 na iray ao anatin’ny 100 ny zaza mety ho tratran’ny ity tranga ity, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanana Down syndrome Madagascar. Mbola iharan’ny fanilikilihana sy fitsaratsarana amin’ny endriny maro samihafa ny olona mitondra io toe-tena io manerana an’izao tontolo izao. Toy ny fitsaran’ny olona azy ireo hoe adala noho ny fahatarana misy eo aminy… “Mbola tsy mahafantatra sy manasokajy ny olona trisomika ho toy ny adala ny ankamaroan’ny fiarahamonina ka mahatonga ny fahataran’ny fandraisana an-tanana azy ireny”, hoy Razafinjatovo Daniela, filohan’ny fikambanana Down Syndrome Madagascar. Olana faharoa ny fahamenaran’ny ray aman-dreny amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina rehefa miteraka zaza trisomika. Heverin’ny olona fa nanaotao foana na ozona no nahatonga ny zaza hanana kilema toy izany. Eo ihany koa ny tsy fananan’ny ray aman-dreny vola handefasana ny zaza any anaty ivon-toerana manokana handray an-tanana azy ireny. Misy ihany koa ny ray aman-dreny mandray an-tanana tsara ny ankizy trisomika noho ny tsy fahafantarana azy. Misedra olana hafa izany any aoriana rehefa miseho ny fahatarana eo amin’ilay zaza.
Tsy mahita hafaliana
Ankoatra izay, mbola maro ny ankizy trisomika tsy mahita hafaliana mihitsy any amin’ny faritra sy toerana samihafa eto amin’ny Nosy. Indrindra ireo ankizy tsy mbola tafiditra ao anaty fikambanana sy ivon-toerana mandray an-tanana azy ireo. Tsy raharahin’ny ray aman-dreniny sy ny mpiray tampo aminy ary ny fiarahamonina misy azy izy ireny, raha ny tatitra voarain’ny fikambanana Down syndrome Madagascar hatrany. “Vokany, tsy alefan’ny ray aman-dreny any an-tsekoly fa avela mirenireny fotsiny ilay zaza ary ataon’ny olona mpatsaka rano ny asany mandritra ny tontolo andro”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana, Razafinjatovo Daniela. Nilaza izy fa 50 na 100 Ariary ny vola omen’ny fiarahamonina azy mandritra izany, raha toa ka 500 ariary ny an’ny ankizy sasany. Etsy ankilany, tsy tian’ny olona sy ny fiarahamonina ny ankizy trisomika fa ny alika no namany, raha ny fanazavana hatrany. Lasa mpangataka ihany koa ny asan’ireny ankizy sasany ireny eto an-drenivohitra. “Tsy hitan’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ny atao manoloana ny zava-misy ka antony mahatonga azy ireo manao izany zava-misy izany”, hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny fikambanana mandray an-tanana ireo ankizy trisomika ny down syndrome Madagascar. 150 ny isan’ny ankizy trisomika nandalo teo anivon’ny fikambanana hatramin’izay nisiany. Efa misy tamin’izy ireo ny manana ny anton’asany mazava tsara toy ny olon-drehetra. Efa misy ankizy efa miasa eny anivon’ny orinasa, misitraka ny zony rehetra. Ezaka ataon’ny fikambanana ny mamantatra ny zava-misy eo amin’ny ankizy sy ny ray aman-dreny alohan’ny handraisana ny ankizy iray.

Afaka mandray fampianarana ny trisomika
Afaka mandray fampianarana tsara mihitsy saingy misy ny fahatarana kely fotsiny ny ankizy trisomika. Mahavita ny asa vitan’ny olon-tsotra ihany koa izy ireo. Tsy miova ny zavatra ampianarana azy ireo hatramin’ny voalohany. “Mahavita zavatra tsara ny ankizy sy ny olona trisomika, matanjaka be ny fifantohana ara-pahitana ho azy ireo. Vao mijery zavatra iray izy dia tadidiny foana iny ary tsy afaka ao an-tsainy intsony”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana. Matanjaka amin’ny fifantohana ara-pahitana izy ireo amin’ny ankapobeny. Olona manam-pitiavana be ihany koa, izay anisany mampiavaka azy. Toy ny olon-drehetra ihany ny trisomika ary manana zo feno tanteraka toy ny rehetra ihany koa.
Andro maneran-tany ho an’ny olona trisomika
Nanomboka nankalazaina nanerana an’izao tontolo izao ny fankalazana ny olona trisomika nanomboka tamin’ny 2011. Nankalaza izany kosa i Madagasikara tamin’ny taona 2017. Mbola tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona sy ny ray aman-dreny manana ankizy trisomika. “Atsaharo ny fitsaratsaram-poana” na “end the stereotype” io ny lohahevitra nentina nankalazana ny hetsika. Nanomboka tamin’ny 21 marsa ny fankalazana ny Andro maneran-tany izay naharitra tapa-bolana. Hamaranana ny fankalazana ny fivoriambe nasionaly any Australie amin’ny volana jona ho avy izao. Hanamafisana fa afaka miaraka foana na samihafa aza ny olona dia ny hetsika fanaovana bakiraro maroloko sy tsy mitovy.
Nanatontosa : Mino




