Minisiteran’ny Fitsarana : mitohy ny fidinana ifotony

Mitohy ny fidinana ifotony ataon’ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fanapariahana sy fanazavana lalàna eny anivon’ny kaominina. Ny kaominina Bemasoandro Itaosy, Anta­nanarivo Atsimondrano, indray no nisitraka izany, afakomaly. Lohahevitra efatra no niompanan’ny fihaonana mivantana tamin’ny vahoaka ifotony tamin’izany. Eo ny lalàna momba ny fananan-tany, ny fandovana sy ny sora-piankohonana ary ny amin’ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy.
Tsara ny fandraisan’ny kaominina ny hetsika ary maro ireo vahoaka namaly ny antso, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Liana dia liana ny olona amin’ny fahalalana ny tokony hatao eny anivon’ny fitsarana. Hita fa mbola betsaka no tsy mahafantatra izay tokony hataony ny amin’izany. Koa taorian’ny hetsika, mazava kokoa amin’ny olona ny tokony hataony. Tetsy andaniny, nisy ny fizarana “brochures” isan-karazany ahitana ireo paikady sy dingana samihafa atao amin’ny raharaham-pitsarana.

R. Nd.

Partager sur: