Sangy mihoatra ny loha

 

Olam-piarahamonina goavana iainan’Antananarivo Renivohitra, ny mahakasika ny rano sotroina sy hidiovana. Misy ny faritra efa dimy volana tsy mahazo rano. Kinkina tanteraka ny paompy sy ny siniben-drano. Tsy misy vahaolana na vonjimaika akory avy amin’ny tomponandraikitra. Tsy misy na fidinana ifotony, hijerena ny maharary ilay vahoaka.
Manomboka mitroatra tsikelikely ny mponina. Iaraha-mahita fa miseho tsimoramora eny ny fitokonana sy ny fandorana kodiarana. Sanatrian-dresaka, ireny no singam-bolo handavo ny vositra an’izao fitondrana izao. Zary fahazarana ho an’ny manampahefana, ny fanaovana vain-drahalahy tsy maharary. Fihazohazoana amin’ny famahana olana, ary ny fisoratan-tena ho mesia sy mpamonjy.
Misy milalao sa tena tsy fahaiza-manao no ambadik’izao kirizin-drano izao? Tena efa sangy mihoatra ny loha kosa ilay tandrevaka! Tsy misy firaharahana ny vahoaka madinika. Tsy andro iray na roa, fa efa ho amam-bolana no tsy misy rano. Raha misy ny fitakiana dia hery famoretana sy ny sandry no miainga hamely. Inona fa indroa mahita ny maizina toa tain’omby atsintsin-davaka ilay vahoaka.
Mila vonjy sy vahaolana maika ny mponin’Antanana­rivo Renivohitra. Ny ain-dehibe, dia ny rano, no efa voatohintohina sy tsy misy mpiraharaha. Mandra-pahoviana anefa? Raha ny fizotry ny zava-misy: tsy hanana vahaolana amin’ny resaka rano ny tomponandraikitra. Ny minisitera mpiahy sy ny Jirama izay sady lasa moana no marenina. Anisan’ny maha matihanina anefa ny firesahana ny mangarahara sy ny fifampiresahana.
« Ny erikerika no maha tondra-drano », hoy Ramala­gasy. Ireo hetsi-bahoaka madinidinika miseho ireo no sanatria ho rano handifotra ny vera. Hitarika ny fitokonana faobe, mainka handetika ny firenena anaty lavaka mangi­tsokitsoky ny fahantrana, izay efa tsy zakan’ny paosy sy ny poketra intsony.

r.r

Partager sur: