Hiditra amin’ny andro fahatelo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “Top 20”. Hampiantrano izany ny kianja Makis Andohatapenaka. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny FTM Manjakaray. Raha ara-taratasy aloha, manantombo ny FTM saingy hiezaka hanohitra ny TFA. Samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta. Ny Manjakaray, haingam-pandeha amin’ny filalaovana ao anaty “trois quart” raha mampiasa ny tolotra haingam-pandeha sy ny “avant” kosa ny Anatihazo.
Ankoatra izay, mbola ady mangotraka koa ny an’ny Cheminots (Besetroka) sy ny TFMA (Boaikely manohitra). Hiendrika famaranana kely ny an’ny roa tonta. Lalaon’ny mpanazatra izany ny azy ireo. Mialoha izany, hifampitana ny Mang’Art Manjakaray sy ny FTBA Andohatapenaka. Heverin’ny rehetra fa manana tombony amin’ny fahaiza-manao ny Manjakaray.
Hanokatra ny lalao, ny fihaonana tsapa hikatrohan’ny samy Makis Ladies, hoentina hanomana ny “Can 2024”.
Tompondaka




