Tsipy kanetibe: nanomboka omaly ny fiadiana ny amboara

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, teny amin’ny Avenue de la Gare Antsi­rabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “séniors”, lehilahy, la­laovin’olona telo.
Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), homena 750 000 Ar ny laharana faharoa ary 500 000 Ar avy ny an’ireo ekipa fahatelo sy fahefatra amin’izany. Ankoatra izay, mifanintsana amin’ity ihany koa ireo sokajy hafa, toy ny vehivavy seniors, juniors, vétérans. Nisy ny fisavana ny kara-pilalaovana ho an’ireo ekipa rehetra mandray anjara.

Raha esorin’ny Federa­siona iraisam-pirenen’ny ta­ranja tsipy kanetibe ny sazin’i Madagasikara, afaka ny handray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena ny mpilalao.

Hisolontena an’i Madaga­sikara mandritra ny fifaninanana afrikanina, sokajy lahy sy vavy, any Maroc, amin’ny volana jona, izay ekipa handrombaka ny amboaran’ i Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: