SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Moto Scooter Slalom. Hotolorana lelavola 250 000 Ar izay mahazo ny laharana voalohany ao amin’ny sokajy « A ». Tsara ny mampahafantatra fa ny Scoot Racing Club no mikarakara ity fifaninanana ity.

Nijanona eo amin’ny laharana faha-109 i Madagasikara ao amin’ny Fifa. Raha eo amin’i Afrika kosa, nidina any amin’ny faha-25. Tsy nisy vokany teo amin’ny Fifa, araka izany, ny fandresena tokana sy ny faharesena azon’i Madagasikara nandritra ny “Fenêtre Fifa” izay natao ny volana marsa lasa teo.

Tonga nitsidika ny kianjan’ny Barea Mahama­sina ny iraka avy amin’ny Caf, omaly. Tsy afaka natrehana moa io fitsidihana io saingy raha ny tazana, milaza ny zavatra tsy mety sy ny tokony mbola hanatsarana ny kianja ity iraka ity. Tsiahivina fa raha tsy mahazo fankatoavana avy amin’ny Caf ny Kianja Barea, tsy afaka handray lalao iraisam-pirenena.

Afaka roa andro, hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Real Madrid, Espaniola, sy ny Manchester City, Anglisy. Lalao hatao ny 9 avrily ho avy izao, ao amin’ny kianja Santiago Bernabeu, Espagne.

Partager sur: