Kitra vehivavy: tsy nomena kianja Vélodrome

Zendana ny mpanaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny baolina kitra vehivavy, omaly alahady teto Antsirabe. Tsy navela hotanterahina tao amin’ny kianja Vélodrome ny fifaninanana, noho ny fisian’ny baolim-pokontany. Manamaivana ny fifaninanam-pirenena izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny federasiona, izay nilaza fa efa nandefasana taratasy ny mpitantana ny tanànan’Antsirabe ny amin’ny fisian’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, ho an’ny vehivavy. Nizotra ara-dalàna izany ny zoma nanombohan’ny lalao saingy izao nosakanana izao. Voatery niangavy tao amin’ny kianja Acmil ny federasiona ka ao no hanatontosana izany, hatramin’ny farany.

Fitia (Iraka manokana Antsirabe)

Partager sur: