Judo-“Tournoi de Tokyo pour les malvoyants” : Niatrika ady miisa roa i Nampoina Daniel

Nifarana, omaly, tany To­kyo Japana, ny “Tournoi pour les malvoyants”, nandraisan-dRakotoarivelo Nampoina Da­niel, judokas malagasy jamba, anjara. Resy teo amin’ny traikefa sy teknika ity solontena malagasy ity. Uzbekistanais, tompondaka Olympika, medaly volamena, no nifanandrina voalohany tamin’i Nampoina, araka ny antsapaka natao. Araka ny fitantarany, nahazo wazari ilay teratany Uzbekis­tanais fa afaka i Nampoina, mailaka be anefa ity mpifanandrina taminy ity ka nahazo wazari fanindroany ka nivoaka ho mpandresy nanoloana an’i Nampoina. Noho ny hamafin’ity mpifanandrina taminy ity, nanao “repechage” i Nampoi­na ka judokas teratany japoney indray no nifandona taminy tamin’ny ady faharoa, izay tompondakan’i Japana no sady tompondaka lefitra Olympika ihany koa. Tsy afa-bela indray i Nampoina na dia niezaka mafy aza, ka nifarana teo ny fifaninanana ho azy.
“Sambany aho no nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, ka rariny raha mbola tsy ampy tsara ny traikefa kanefa mino aho fa afaka mihoatra izao ny Judokas malagasy”, raha ny nambarany. Lesona maro ny azon’i Nampoina, nandritra ity fifaninanana ity, izay nisaorany ireo rehetra nanolo-tanana azy ka nahafahany nihazo an’i Japana. Mbola hiatrika ny fiofanana ho an’ny mpifaninana, anio sy rahampitso i Nam­poina, judokas malagasy jamba niatrika ny “Tournoi de Tokyo pour les malvoyants”.

Mi.Raz

Partager sur: