Niditra tamin’ny fizarana fitaovana sy fanampiana ireo ankizy marary any amin’ny hopitaly ny fikambanana Motor show by Madagascar High Performance. Notolorana fitaovana sy lelavola ary fanafody izy ireo.
Nahatratra 80 tapitrisa Ar ny tombom-barotra azo nandritra ny hetsika “Motor show 2024”, natao ny 30 sy 31 marsa, lasa teo. Nanambarana izany Ranaivo Tojo, mpikambana eo anivon’ny Motor show by Madagascar High Performance. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina izy ireo ny zoma lasa teo.
Araka ny tanjona napetrak’izy ireo tany am-piandohana, hanampiana sy hitsaboana ireo ankizy marary amin’ireo hopitaly ny vola azo. Tsy misy hotazomin-dry zareo. Nahatratra 200 ny kilonga nisitraka izany. Toeram-pitsaboana efatra no nanaovana ny hetsika: HJRA Ampefiloha, Ambohimiandra, Befelatanana ary ny hopitalin’ny ankizy etsy Tsaralalàna.
Nomarihin-dRanaivo Tojo fa misy sokajy telo ireo ankizy nomena tolo-tanana. Misy ireo tena marary mafy toy ny voan’ny homamiadana. Voatery handalo fandidiana sy fitiliana izy ireny. Noraisin’ny fikambanana an-tanana ny fiantohana ireo ankizy miisa 20, hatao scanner, radio ary échographie. Misy ny mandalo fitsaboana tsotra sy ireo mangataka fanampiana tao amin’ny tambajotran-tserasera.
Tafiditra anatin’ny hetsika fohy ezaka ny fanampiana ny mpiandry marary sahirana. Misy ny tsy manana na sakafo hohanina aza. Nomena harona misy vary sy menaka, siramamy sy zavatra hafa izy ireo. Nisitraka izany koa ny ankizy rhetra manaraka fitsaboana. Nampiana bodofotsy 200, couche-culotte, fanafody sy kilalao ho azy ireo.
Fitaovana ho an’ny hopitaly
Tamin’ny fandalovan’ny Motor show by Madagascar High Performance tao amin’ireo hopitaly no namaliany ny fangatahan’ny tomponandraikitra. Nisy ny fanolorana fandriana miisa 20. Notsiahivin-dRanaivo Tojo fa fikambanan’ireo mpankafy taranja mekanika, manodidina an’Analamanga no mivondrona ao anatin’ny fikambanana. An’ny Malagasy avokoa ny 98 % ny fiara nampirantiana nandritra ny “Motor show 2024”. Ezahina ho tsara hatrany ny andiany faharoa, araka ny fangatahan’ireo mpitsidika tonga tao Mahamasina. Hiitatra hatrany amin’ny faritra, toa an’i Boeny, Diana ary Atsinanana ny hetsika.
Torcelin