Nifarana ny sabotsy lasa teo ny fe-potoana fametrahana ny taratasy firotsahan-kofidina izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo (FMTKD). Tsy mbola voafaritra mazava anefa ny mahakasika ny vaomiera hikarakara izany fifidianana izany. Raha ny vaovao voaray farany, ny 16 avrily no hitsangana io rafitra io, daty hanaovana ny fifidianana ihany koa.
Tsy niandry izay, naneho ny fahavononany ny kandidà Rakotomanana Franck Tiana. Nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiny izy, teny amin’ny biraon’ny FMTKD, Alarobia Amboniloha, ny zoma teo. Nambarany fa antony maro no nanosika azy handray andraikitra. Ny fahatsapany fa ambany ny haavo teknikan’ny Malagasy mpikatroka. Toraka izany koa ny tsy mbola nahazoana vokatra tsara, ankoatra ny tany Gabon, ny taona 2015. Hifantoka amin’ny fanarenana ny lesoka ny fandaharanasany raha voafidy ho filohan’ny FMTKD ny tenany.
Tsy fantatra hatramin’izao ny isan’ireo ligy mifidy. Marihina fa miisa sivy ny ligy mandrafitra ny FMTKD: Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Vatovavy sy Fitovinany, Betsiboka, Boeny, Atsimo Andrefana ary Alaotra Mangoro.
Fitia Randria