Nisongadina tanteraka i Nomenjanahary Claudine, Malagasy atleta, nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena “Grand Prix International CAA Yaoundé”, izay natao tany Cameroun, afakomaly. Nandrombaka medaly volafotsy roa, raha niatrika ny famaranan’ny hazakazaka 100 m sy ny 200 m.
Raha ny teo amin’ny 100 m, novitainy tao anatin’ny 11.41 segondra, 23.97s kosa ny nanaovany ny 200 m. Norombahin’i Kolle Etame , teratany cameronais, ny medaly volamena tamin’ireo sokajin-dalao roa ireo. Noharenin’i Claudine tamin’ity fifanintsanana ity ny vokatra azony nandritra ny lalao Afrikanina, natao tany Accra Ghana, ny volana marsa lasa teo. Tsiahivina fa laharana fahefatra ny tenany nandritra ny famaranana 100 m, tamin’ izany.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa manaraka fiofanana any Dakar Sénégal i Claudine sy i Fiadanantsoa Sidonie, vehivavy malagasy kalaza amin’ny hazakazaka 100 m misy fefy “100 m haies”, amin’izao fotoana izao.
Tsara ny mampahatsiahy fa nandritra ny lalaon’ny Nosy, izay notontosaina teto Madagasikara, ny taona 2023 lasa teo, nandrombaka medaly volamena telo i Claudine Nomenjanahary.
Fitia Randria