Basikety-“All Step”: mampiseho ny tanjany hatrany ny LSFX

Niditra amin’ny andro faharoa, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Inter-Lycée-All Step” karakarain’ny ligin’Ana­la­manga, taranja basikety. Fifaninanana hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena sy ny federasiona malagasin’ny basikety. Raha nahazo fandresena tamin’ny andro voalohany ny Lycée Saint François Xavier (LSFX), mbola nampiseho ny tanjany hatrany izy ireo afakomaly. Samy nampiseho izany avokoa na ny sokajy lehilahy na ny vehivavy. Teo amin’ny lehilahy, tsy afa-bela nanoloana ny LSFX ny ekipan’ny Akamasoa, izay niondrika tamin’ny isa 67 no ho 93. Mbola ny Akamasoa hatrany no nifanandrina tamin’ny LSFX teo amin’ny sokajy vehivavy, izay mbola resin’ity farany tamin’ny isa mavesatra 63 no ho 23. Vokatra hafa kosa, nandresy ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) tamin’ny isa 83 no ho 66 ny Sainte Chantal, teo amin’ny sokajy lehilahy. Teo amin’izay sokajy izay hatrany, nahazo ny fandresena nanoloana ny LAA tamin’ny isa 56 no ho 50 ny mpianatra avy ao amin’ny ISF. Lalao anisan’ny niady tokoa tamin’ity andro faharoa ity. Tetsy ankilany, mbola nahazo fandresena ihany koa ny ISF sokajy vehivavy, nanoloana ny LAA. Isa 46 no ho 11 no nisarahan’ny roa tonta. Tsiahivina, ekipa 16 no mifaninana amin’ity “All Step” ity ary tanjona ny hampitombo ny firaisankina eo amin’ireo Lycée, amin’ny alalan’ny basikety. Fanamby efa napetraky ny ligin’Anala­manga ihany koa ny hanapariahana ny basikety eny anivon’ny sekoly. Ny alarobia 10 avrily izao no hanokafana amin’ny fomba ofisialy ity fifaninanana “All Step” natokana ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa ity.

Mi.Raz

Partager sur: