Kick-Boxing : hatao any Fianarantsoa ny ady goavana

Araka ny efa nampahafantarina tamin’ny fiandohan’ny taom-pikatrohana, hisy ny ady goavana “Grand combat de défi”, taranja kick-boxing. Fifaninanana natokana ho an’ny Malagasy mpikatroka manerana ny Nosy, karakarain’ny Federasiona malagasin’ny kick-Boxing. Ny K-1 Rules no hifaninanana mandritra izany. Amin’ny maha ady goavana azy, handray anjara daholo ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipa nasionaly, manerana ny faritra. Ahitana ny avy eto Antananarivo, Antsirabe, Manakara, Toliara, Farafangana, Toamasina, Fianarantsoa, Ambositra, Ihosy sy ireo faritra hafa ahitana ny taranja kick-boxing. Fotoana ihany koa anefa io hijerena ireo taninketsa, amin’ny alalan’ireo mpikatroka vao misandratra tonga handray anjara. Hisy ny fifantenana hahafahana mampiditra mpikatroka izay tena mendrika ho ao anaty ekipam-pirenena, hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ity taona ity. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasiona, mikasa ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy Cadets sy Juniors ary ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Seniors, i Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: