Tontosa ny alahady 7 avrily lasa teo, tany Vakinankaratra, ny andiany fahavalo amin’ny “Trail d’Ibity”. Fihaonana nokarakarain’ny Antenna Technologies Antsirabe. Nahatratra 3 000 ireo nandray anjara, nifaninana tamin’ny halavirana 2 km ho an’ireo ankizy, an’olon-dehibe, ny 12 km ho an’ireo salama vatana sy matanjaka ary ny 30 km izay zava-baovao tamin’ity andiany ity. Nandrombaka ny fandresena ho an’ny sokajy lehilahy, Andrianirina Rivosoa. Tontosany tao anatin’ny 2 ora 22 mn 57, 42 s ny halavirana. I Ludivine Cornie ho an’ny vehivavy. Adiny 3 sy 27 mn ary 11, 45 s ny fe-potoany. Tsiahivina fa nanangonam-bola hanohanana ireo ankizy tratry ny tsy fahampiana ara-tsakafo mitarazoka sy miverimberina, ao Ibity, ny hetsika. Nampiavaka ity “Trail d’Ibity” ity, ny fifangaroan’ny fanatanjahantena sy ny fizahantany. Nianoka tao anatin’ny hatsaran’ny toerana misy ny valanjaboahary mampiavaka an’Ibity ireo mpifaninana. Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara ary mampanantena zava-baovao ho an’ny rehetra amin’ny andiany manaraka izy ireo.
Torcelin
30 km lehilahy :
1- Rivosoa ; 2-Narcisse ;
3-Hajanirina
30 km vehivavy :
1- Ludivine ; 2- Sidonie ;
3-Navokoarilalaina
12 km lehilahy :
1-Jean-Claude 2-Albert ;
3-Harivola Lova
12 km vehivavy :
1-Sandrinah ; 2-Berthine ;
3-Herivola