Tsy anisan’ny mpihazakazaka tamin’ny ora farany. Miisa fito ireo kandidà nandrotsaka antontan-taratasy firotsahana teo anatrehan’ny Ovec, ho an’ i Toamasina, ny alatsinainy teo. Nihena ho dimy anefa izany, omaly, rehefa nivoaka ny lisitr’ireo afaka hifaninana hiady seza roa any an-toerana. Anisan’izany ny kandidà tsy miankina Rajaonary Sylvestre, avy amin’ny fikambanana Coco Velogna. Kandidà faharoa nametraka ny dosieny kosa ny avy amin’ny Irmar, tarihin’i Naharimamy Lucien Irmah. Natolotry ny Firaisankina Tim, Randriantsalama, raha kandidà natolotry ny Kolektifa ho an’ny Malagasy, Ratsiraka Roland, (MTS). Eo koa ny kandidà mahaleo tena, Wander Assany Chadly. Efa talem-paritry ny minisiteran’ny Angovo. Anisan’ ny mpirotsaka hofidina, saingy tsy nahafeno ny fepetra kosa ny avy amin’ ny Arema, Benimanana José, sy ny Dr Rakotomanana Gervais na i Le Baba avy amin’ny tsy miankina sady efa ben’ny Tanànan’i Toamasina teo aloha.
Tsiahivina fa niharan’ny sakantsakana ny fikirakirana ny antontan-taratasy teo anivon’ny Sampandraharahan’ny hetra ho an’ireo kandidà avy amin’ny vovonan’ny mpanohitra. “Tsy hita teto an-toerana sady tsy mandray antso an-telefaonina ny talen’ny Sampandraharahan’ny hetra. Natao ny hahataraiky ny famoahana ny dosienay avy ao amin’io sampandraharaha io”, hoy ny kandidà Ratsiraka Roland.
Sajo sy Synèse R.