FANTINA sy FINTINA

Hamafisina ny fiambenana ny fonja amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, araka ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, nitsidika tany Miandrivazo. Notolorany karatra fanarahan-draharaha sy fitaovana informatika ho an’ny fitsarana koa ny any an-toerana.

Nisitraka lalankely rarivato ny eny Ambodi­vona sy Ambohimanandray Ambohimanarina, araka ny fangatahan’ny mponina tamin’ny depiote An­driamam­pandry Todisoa. Nanentana ny rehetra ny tenany mba hikojakoja izany fotodrafitrasa vita izany. “Ny firaisankina no hery ary tsy misy ny manana ny ampy”, hoy izy.

Hampiroboroboana ny diplaomasia eo amin’ny samy parlemanta. Nivoitra izany amin’ny fahatongavan’ireo delegasionin’ny parlemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (AP-COI) eto amintsika. Noraisin’ny solontenan’ny Antenimiera teny Tsimbazaza izy ireo, ka raikitra ny hivorian’ireo filohan’ny Antenimiera, ny volana mey izao.

Nanentana ireo mpandraharaha Hongrois ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafarava­vitafika, amin’ny fitsidihany any amin’ity firenena ity. Nijery ifotony ireo toerana mahasarika mpizahatany any an-toerana ny tenany ary niantso ireo mpampiasa vola Hongrois hisehatra amin’ny fizahantany aty amintsika.

Partager sur: