Nandritra ireo telo andro nandalovan’i Gelson Fernandes, tale rejionalin’i Afrika eo anivon’ny Fifa, teto Madagasikara, nitsidika ny ivontoerana nasionaly eny Carion ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, Rasoamahenina Sanda, Malagasy miasa ao amin’ny Fifa.
Notanterahina teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, afakomaly, ny fivoriambe ara-potoana (AG O) voalohany, izay nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’ny zava-dehibe noresahina tamin’izany ny fanavaozana ny ivontoerana eny Carion sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo ligy sy ny federasiona. Araka ny fanazavana nataon-dRandriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF, hanangana Akademia ho an’ireo mpilalao latsaky ny 15 taona, eny Carion, ny federasiona mba hahafahan’i Madagasikara miatrika ny «Can U17».
Tsiahivina fa ity tetikasa ity, tohanan’ny Fifa. Hojerena manokana ihany koa ny baolina kitra sokajy vehivavy eto Madagasikara. Tanjona ny hampiroborobo izany eto an-toerana. Tsara marihina fa nanatrika ity fivoriana ity ny tale rejionalin’i Afrika eo anivon’ny Fifa, i Gelson Fernandes, sy ny mpiara-miasa aminy, Rasoamahenina Sanda, ary ireo filohan’ny ligim-paritra 22. «Vonona ny hihaino ny fangatahan’ny FMF ny Fifa. Ilaina hatrany ny mifanohana mba hahafahan’i Madagasikara mandroso amin’ny taranja baolina kitra”, hoy i Gelson Fernandes.
Ankoatra izay, nampahafantarina tamin’io fotoana io ihany koa fa efa ho avy tsy ho ela ilay fiara fitaterana ofisialin’ny Barea izay nomen’ny Fifa ho an’ny ekipam-pirenena malagasy.
Handresy lahatra ny Caf ny FMF
Hotanterahina ny volana jona ho avy izao ny fihaonan’i Madagasikara amin’i Comores sy i Mali. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Nilaza ny lehiben’ny FMF fa hiezaka sy hiangavy ny Caf izy ireo mba hahafahan’i Madagasikara mandray ireo lalao roa ireo, taorian’ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera fa tsy afaka mandray ireo fihaonana ireo ny kianja Barea Mahamasina.
Nomarihiny ihany koa fa efa ao anatin’ny fanamboarana tanteraka ny kianja Barea amin’izao fotoana izao. Tsara ny mampahatsiahy fa ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “Mondial 2026”, hatao any Etazonia, no fanamby apetrak’ity FMF vaovao ity.
Fitia Randria