Nisongadina indray Randriatsiferana Tokinantenaina Olivier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra milalao any La Reunion, omaly. Nahatafiditra baolina telo ho an’ny St Paul, klioba renioney izy ary nandresy ny St Suzanne tamin’ny isa mavesatra, 7 no ho 0, ry zareo tamin’izany. Tsiahivina fa i Tsiry kely no mpilalao vaovao ao amin’ny St Paul.
Hotontosaina anio sy rahampitso, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny hetsika “atelier national” mahakasika ny “Plateforme en ligne d’octroi des licences des clubs”. Ireo klioba goavana mifaninana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)” eto an-toerana no mandray anjara amin’izany.
Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny kianja Olympique Lluís Companys Espagne, ny fihaonan’ny FC Barcelone Espagne sy ny Paris Saint Germain France. Lalao miverina izay tafiditra amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024.”