Higadona afaka valo andro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Manana fikasana ny handefa atleta enina mianadahy ny federasiona malagasin’ ny judo amin’ity fifaninanana ity.
Fifaninanana hatao any Egypte, manomboka ny 23 avrily ho avy izao izy ity. Hatreto, tsy mbola nandefa ny taratasy milaza ny fandraisany anjara i Madagasikara, izay mety hahazoana sazy izany. Ny hoenti-manana no tena sakana, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny judo. Rasoanaivo Razafy Laura ihany aloha hatramin’izao no azo lazaina fa efa milamina fa ny atleta 5 hafa, 2 vavy sy 3 lahy, mbola baraingo. Tsiahivina anefa fa ankoatra ny maha fifaninanana goavana azy eto Afrika, hahafahan’ireo atleta manatsara ny fahaiza-manaony, hahazoana tapakila amin’ny lalao olympika 2024 hatao any Paris ihany koa ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity. Manana vintana hahazo medaly avokoa, ireo atleta notsongaina handray anjara, anisan’izany ry Natacha, izay nahazo medaly alimo, nandritra ny lalao Afrikanina natao tany Ghana farany teo sy ry Lova Mahaisoa. “Izany indrindra no hanaovan’ny federasiona sy ireo atleta antso avo amin’ny fanjakana mba hijerena akaiky azy ireo. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mihitsy no hiantefan’ny fangatahana”, hoy hatrany ny nambaran’ny avy eo anivon’ny FMJ. “Tsy manana afa-tsy dimy andro izahay ahafahana mitady vahaolana, mbola eo koa anefa ny fikarakarana ny taratasy sy ny visa”, hoy ny fitarainan’ny federasiona. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa efa in’enina izao no tsy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena toy izao ireo atleta malagasy.
Mi.Raz