Atletisma – «Afrique 2024»: miankina amin’ny minisitera ny isan’ny atleta ho any Cameroun

Tontosa omaly, tetsy amin’ ny kianja Alarobia ny fifaninanana nitiliana ireo atleta ma­lagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “sénior”, lahy sy vavy, eo amin’ny taranja atletisma. Nitsapana azy ireo ny 100 m sy ny 400 m, lahy sy vavy, ary ny vikin-dava sokajy vehivavy. Tsy nisy ny zava-bita montsana, nandritra izany. Na izany aza, nanakaiky ny fe-potoana notadiavina ny zava-bitan-dRemandro Patrice (Cosfa), teo amin’ny 400 m, izay tontosany tao anatin’ny 47 s 4%, raha 46 s 4% ny “minima”.
Hiankina amin’ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny ho isan’ny atleta ho atsy Cameroun, ny 15 ka hatramin’ny 25 jona ho avy izao. Nambaran-dRambeloson Hery, tale teknika nasionaly (DTN) fa efa misy ny anarana voafantina halefa any amin’ny minisitera, amin’ity alatsinainy ity, ka izy ireo no manome fankatoavana ny lisitra avy amin’ny federasiona malagasy. Aorian’izay vao ho ampahafantarina
amin’ny fomba ofisialy izay hiatrika izany. Ankoatra izay, ho voafantina eto an-toerana, anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena, i Sidonie Fiada­nantsoa, nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny halaviran-dalana 100 m misy fefy, nandritra ny lalao Afrikanina natao tatsy Ghana, ny volana marsa lasa teo. Eo koa i Claudine Nomenjanahary, ho an’ny 100 m sy 400 m.
Tsiahivina fa niisa 30 mianadahy ireo niatrika izany, izay nahazo ny “minima”, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona sy ny ligy niaviany avy. Ligim-paritra efatra ny nahatonga solontena: Analamanga, Vakinan­karatra, Atsimo Andrefana ary Matsiatra Ambony.

Tompondaka

Partager sur: