“Ny vovonana nasionaly Ifi tarihin’ny filoha mpanorina, Ramanambitana Richard, dia manohana tsy misy fepetra ireo kandidà depiote atolotry ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), nahazo fankatoavana avy amin’ny birao foibe Arena ary neken’ny filoha Andry Rajoelina”. Io ny fanambaran’ny vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), novakin’ny sekretera jeneraliny, ny pasitera Razafindramanitra Nestor, teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo.
Manaiky marindrano ny fepetra politika na ny fitsipiky ny antoko izay napetraky ny filoha Andry Rajoelina ny vovonana, ary hanao ny aina tsy ho zavatra amin’ny fanentanana ny mpikambana rehetra sy handresy lahatra ny mpiara-belona mba hanohana ny depiote avy amin’ny vovonana Irmar manerana ny Nosy. Noho izany, manaiky ny fandaminana napetraka teo amin’ny sivana ny Ifi mba hisian’ny fahamarinan-toerana sy ho arofanina amin’ny Antenimierampirenena ho amin’izao fanjakana mijoro izay voafidim-bahoaka ara-demokratika izao.
R. Nd.