Fanehoan-kevitra… “Tsy atao dridran’Ingilo ny hoe satria eo amin’ny fitondrana dia manana tombony amin’ny fifidianana, na lesoka rehefa tsy eo amin’ny fitondrana”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Victor Richard, ny amin’ny fanahian’ny sasany hoe mahazo tombondahiny amin’izao fiatrehana fifidianana depiote izao ny eo amin’ny fitondrana. Tondro mazava be ny fifidianana tamin’ny 2018 : na ny teo amin’ny fitondrana aza, tsy voafidy. Tsy azo foronina an-kamehana ny fifidianana fa toy ny fifaninana rehetra: fiomanana no idirana aminy. Ny zava-misy amin’izao: maro no tsy miomana amin’ny fifidianana, tapa-kevitra amin’ny fotoana farany. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana izay.
“Efa mahafantapantatra izany ny sasany hoe mety ho sahirana amin’ny fifidianana”, hoy kosa izy momba ny mpanohitra sasany hiroso amin’ny fifidianana indray amin’izao. Satria handresy lahatra indray ny mpifidy handray anjara amin’ny fifidianana aloha. Ny mpifidy izay nolazaina hoe aza mifidy teo aloha. Avy eo vao handresy lahatra ny amin’ izay antony hifidianan’ny mpifidy azy izy ireo. Ny mpifidy eo amin’ny fitondrana kosa efa resy lahatra hatramin’ny voalohany hoe ilaina ny fifidianana. Efa tombony amin’ny fitsipika demokratika izay, fa tsy hoe tombony amin’ny maha eo amin’ny fitondrana. Efa hatramin’ny 2018 no nisy ny eo amin’ ny fitondrana, fa tsy voafidy ny mpitondra tamin’izany raha nirotsaka ho filohan’ny Repoblika. Satria efa nanana ny safidiny ny vahoaka, na eo amin’ ny fitondrana ny tena na tsia.
R. Nd.