FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo kandidà afaka hifaninana hofidina depiote, Razanamahasoa Christine, any Ambatofinan­drahana sy Rafidimanana Narson, ao Antanifotsy. Eo koa i Rossy etsy amin’ny boriborintany fahefatra ary Rakotoniaina Pety, any Ikalamavony. Nohamorain’ny Ceni ny fahafahan’izy ireo nameno ny dosieny avy ka izao anisan’ny mpifaninana izao.

Hambara anio, raha tsy misy ny fiovana ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà afaka hirotsaka hofidina depiote. Hitohy amin’ny antsapaka hotanterahina rahampitso amin’ny laharan’ireo kandidà, anaty biletà tokana izany. Halefa hatonta any Afrika Atsimo izany avy eo.

Nihaona amin’ireo mpanara-dia azy tany Ampanihy i Keron Idealson, ny herinandro teo. Nam­barany fa ho solombavambahoaka ny tenany. “Tsy ho solombavan’ny mpitondra… Hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka fa tsy ny tombontsoan’ny mpitondra…”, hoy izy. Teny fanevany amin’ny fifidianana: “Ny vahoakan’Ampa­nihy Andrefana aloha”.

Tsy manana olona hanatanteraka ny politika ny fitondrana, araka ny nambaran’ny mpanao politika, Randrianarijaona Rado. “Olona efa nahazo toerana no avadibadika… Manaporofo izany ny fandrotsahana minisitra miisa fito be izao ho kandidà… Hiantraika amin’ny fampandehanan-draharaha ny fialan’izy ireo eo anivon’ny governemanta”, hoy izy.

Partager sur: