Navoakan’ny Ceni omaly alina, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana depiote hatao ny
29 mey izao. Hanomboka tsy ho ela ny fifaninanana hifanandrinan’ireo kandidà matanjaka…
Afaka hifaninana ny ankamaroan’ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy teny anivon’ny Ovec. Anisan’izany, Razanamahasoa Christine ao Ambatofinandrahana, ohatra. Hifanandrina any Ambatondrazaka kosa ny Firaisankina Tim, Razara Pierre sy ny Irmar Andrianasolo Jean Patrick.
Hafana ny fifanandrinan-dRahasimanana Paul Bert (Rossy) etsy amin’ny boriborintany fahefatra, Andrianjato Vonison sy Ramboasalama Emilien, samy tsy miankina ary ny Irmar, Rafidimanana Desiré, sy ny Firaisankina Tim, Randriamasinoro Ny Riana. Anisan’ireo afaka hifaninana any Antanifotsy koa Rafidimanana Narson avy amin’ny Firaisankina Tim raha natolotry ny Irmar, any Ikalamavony kosa Rakotoniaina Pety.
Ho mpifaninana etsy amin’ ny boriborintany I, Andriamananoro Augustin avy amin’ny Irmar sy ny Me Razafimanantsoa Hanitra avy amin’ny Firaisankina Tim. Eny amin’ny boriborintany III, Ralambomanana Feno avy amin’ny Firaisankina Tim sy ny tsy miankina isany, Razafindrazaka Bodo (mpanakanto) sy Gascar Fenosoa (mpanao gazety).
Hiverina hifanandrina…
Manampy azy ireo ny Irmar Raharison Gabrielle. Boriborintany fahadimy, hiverina hifampitady, ny Irmar Raholdina Naivo sy Ralambozafimbololona Fetra, Firaisankina Tim. Eo koa anefa ireo mpanao gazety mirahalahy, Harifidy Ramanandraibe sy Heninkaja Rakotomanantsoa. Mbola hifanandrina koa ny Irmar, Rakotomanga Lanto sy ny Firaisankina Tim, Randrianarisoa Stanislas (Rastany). Eny amin’ny boriborintany fahenina, ny Firaisankina Tim, Andriamampandry Todisoa sy ny ny Kolektifa, Vonifanja Tania ary ny Irmar, Razanamandimbisoa Tantely.
Synèse R.