Hidina ifotony any Toamasina, anio, ny filoha Rajoelina Andry. Hanombohana izany ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana sy fitsidihana ireo fotodrafitsara marobe izany. Tafiditra amin’ny famahana olana ny eny ifotony sy ny politikan’ny fanakaikezan’ny fahefam-panjakana eny anivon’ny vahoaka izao fahatongavan’ny filoha any an-toerana izao.
Minisitra voalohany, nametra-pialana Andriamananoro Augustin. Tafapetraka omaly, eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika Ambohitsirohitra, ny taratasy fametraham-pialany tsy ho minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, noho izy nirotsaka hofidina solombavambahoaka etsy amin’ny boriborintany I. Andrasana koa ny fametraham-pialan’ireo minisitra enina hafa.
Tonga eto amintsika hifampizara traikefa ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony ireo delegasionina cameronaise. Hifampidinika momba ny « Indice de gouvernement local – IGL”, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, izy ireo. Anisan’ny fitaovana hanombanana ny kalitaon’ny fanatsarana ny fitantanana ifotony izany.
Nihaona tamin’ireo teratany malagasy any Grèce ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, omaly, mandritra ny fitsidihany any an-toerana. Voaresaka tamin’izany ny maha zava-dehibe ny tokony handraisan’izy ireo anjara amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana. Nambarany koa ireo ezaka tanterahan’ny governemanta amin’izao fotoana.