Efa any Washington ny filoha Rajoelina mivady sy ireo delegasiaona miaraka aminy. Hanatrika ilay fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy ireo mpitondra fanjakana afrikana “Sommet US – Africa 2022”.
Maherin’ny 50 ireo filoham-panjakana sy filoham-pirenena hiatrika izany any an-toerana. Anisan’ny maha zava-dehibe ny fihaonana, ny lafiny jeostratejika na diplaomatika fa indrindra ny toekarena noho ny ady any Ukraine sy ny ambana ara-toekarena apetrak’i Sina. Efa manomboka maka toerana lehibe amin’ny fifandraisana ara-barotra maneran-tany rahateo ry zareo sinoa. Maneho izany ny fanambaran’ny filoha amerikana Joe Biden, manohana ny fidiran’ny Vondrona Afrikana (UA) sy i Afrika ao anatin’ny G-20.
Anisan’ny handahan-teny ny filoha ny 15 desambra izao ka hiresaka ny fametrahana fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana “Agenda 2063”. Eo koa ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahafaha-miatrika manoloana ireo fahasimbana noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Fahadimy maneran-tany rahateo i Madagasikara amin’ireo firenena, tena ianjadian’ny vokadratsin’ izany. Tsy afa-bela ireo mponina any atsimon’ny Nosy, noho ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hain-tany.
Varotra, fotodrafitrasa, fampiasam-bola…
Eo koa ny fanjakana tsara tantana sy ny zon’olombelona, ny fandriampahalemana sy filaminana ary ny fiarovana ny moron-dranomasina. Manampy izany ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra sy nomerika, ny “Agribusiness”, ny varotra, ny fanamboarana fotodrafitrasa, ny fampiasam-bola ary ny momba ilay fifanakalozana malalaka eo anivon’i Afrika “Zone de libre echange continentale Africaine – ZELCAF”.
Ankoatra izany, hihaona amin’ny filoha lefitry ny Bad, i Adesina Akinwimi sy ny filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena misahana an’i Andrefan’i Afrika sy Afrika Atsinanana, i Victoria Kwakwa ny filoha Rajoelina Andry. Horesahana ny famatsiam-bola sy fanohanana antsika. Hodinihina koa ny hisitrahantsika ny fanampiana ao anatin’ ny Agoa. Anisan’ireo mpitondra ambony izay hanatrika ilay sakafo iarahana amin’ny governemanta amerikana koa ny filoha Andry Rajoelina.
Synèse R.