Namoy ny ainy voatifitry ny mpitandro filaminana ilay lehilahy namono zazalahy 8 taona, tao Anjiajia, distrikan’Ambato-Boeny, ny 15 avrily teo. Nifampitadiavan’ ny fianakaviany io zazalahy io rehefa niandry ondry ka tsy hita, ny tolakandron’ny 11 avrily teo. Nentin’ny olona tsy fantatra izy araka ny nambaran’ireo ankizy namany tamin’ ny havany nikaroka azy. Nitohy nanao ny fikarohana izy ireo saingy tsy nahitam-bokany. Hita faty tsy lavitra ny tanàna ilay zazalahy, ny marain’ny 12 avrily.
Ankizilahy iray hita faty nifato-tenda tao Bealalana, omaly maraina. Hamoha azy handeha hianatra ny reniny no taitra nahita ny fatiny nitsirara tamin’ny tany. Tsy fantatra hatreto ny anton’ ny fahafatesany raha toa ka namono tena na novonoin’olona. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.
Mpandeha 15 naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Manakana, fokontany Ambalatenina lalana mampitahy an’i Mahanoro sy Toamasina, ny alatsinainy 15 avrily teo. Nihotsaka tampoka ny tany nanamarona ny lalana ka nifatratra tamin’ilay taksibrosy. Olona dimy naratra mafy. Tsy nisy aina nafoy.
Olona fito voatery naiditra hopitaly niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo, tao amin’ny fokontany Sahasifotra, Sainte-Marie, ny 14 avrily teo. Fivadian’ny menaka tamin’ny sakafo no niteraka ny fahavoazana. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly be ao an-toerana izy ireo.