Nisokatra, omaly tetsy Ivandry ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy parlemantera, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina. Niompana amin’ny fisorohana sy ny fitantanana krizy izany. Nambaran’ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina (UA), eto amintsika, i Hawa Ahmed Youssouf fa anisan’ny kaontinanta tsy afa-bela fa mbola feno krizy i Afrika. “Zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy afrikanina amin’ny fisorohana sy fitantanana izany”, hoy izy. Natsidiny fa ilaina ny fanomanana ireo vehivavy amin’ny fiatrehana izany. Anisan’izany ny sehatry ny fitantanana firenena na koa eo amin’ny lafin’ ny tontolom-pifidianana, araka ny nambarany. Notsindriny fa tsy voatery anatina vondrona politika ireo vehivavy . “Afaka mandray anjara avokoa izy ireo na misehatra
amin’ny lafiny sosialy sy ekonomika aza”, hoy ny mpanelanelana eo anivon’ny UA, Rasoloarisoa Marie Marcelline.
Synèse R.