Fitakian’ny KMF/Cnoe : “Hatsaraina ny lalàm-pifidianana”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, taorian’ny fivorian’izy ireo ny herinandro teo. Nivoitra ta­min’izany, tonga ny fotoana hanatsarana ny andininy vitsivitsy ao amin’ny lalàna 2018-008. Anton’izany ny hisian’ny fifidianana malalaka, andraisan’ny rehetra anjara sy eken’ny rehetra ka hitondra filaminana ary indrindra fa hahamarin-toerana ny kandida ho lany eo. “Fotoana izao tsy ma­intsy hanatsarana izany”, hoy izy ireo. Takin’ny KMF/ Cnoe ny hakana ny hevitry ny ankolafin-kery rehetra voakasiky ny fifidianana amin’ny alalan’ny fakan-kevitra ma­nomboka eny anivon’ny faritra, mialoha ny handravonana izany eo amin’ny sehatra nasionaly. “Hoentina hanatsarana ny làlana momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ny fehinkevitra amin’izany. Mila vita mialoha ny fivoriana voalohan’ny parlemanta amin’ny taona 2023 izany, mba hodinihiny sy handraisany fanapahan-kevitra”, hoy ihany izy ireo. Manana paikady hanatanterahana iza­ny ny fikambanana. Nohitsin’ ny KMF/Cnoe fa tsy vahaolana ary tsy hitondra soa ho an’ny firenena ny fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena.

Synèse R.

Partager sur: