Hotanterahina any Antsirabe, ny 1 hatramin’ny 5 mey ho avy izao, ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana Fiba 3×3 “Shoot out Bira”, taranja basikety. Hetsika karakarain’ny ligin’i Vakinankaratra sy ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) ity hatao ity.
Hotontosaina any amin’ny nosy rahavavy La Reunion, ny 27 hatramin’ny 28 avrily, ny “Festival Rugby, Aroi”. Miisa efatra ireo firenena handray anjara amin’izany, i La Reunion, mpampiantrano, i Madagasikara sy i Maurice ary i Mayotte. Efa nisy ny fampiofanana natao ho an’ireo Makis U18, lahy sy vavy, hiatrehina izany.
Hiditra amin’ny ampaha-16n-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe de Madagascar”, ny mpakafy baolina kitra eto an-toerana, ny 21 avrily ho avy io. Hiakatra kianja amin’io fotoana io avokoa ireo klioba 16 mifanintsana amin’ny fifaninanana “Pureplay Football League (PFL)”.
Notoloran’ny filoha vaovaon’ny taranja Taekwondo malagasy, Rakotomanana Franck Tiana, fitaovana ireo ligy ny alarobia lasa teo. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ny teny fampanantenana nataony tamin’ireo ligy ny fizarana fitaovana, hahafahan’ny taranja mivelatra eto an-toerana.