Lomano-Tompondaka eran-tany: misolo tena ny Malagasy i Tendry sy i Jonathan

Hiditra an-tsehatra, anio, amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, 25 metatra, tanterahina any Aostralia. Malagasy roa ny misolo tena an’i Madagasikara.

Hanomboka anio talata 13 desambra ao Aos­tralia, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, 2022, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 metatra. Tsy diso anjara amin’ity fifaninanana ity i Madagasikara. I Tendrinavalona Idealy sy Raharvel Jonathan no misolo tena ny Malagasy miatrika izany izay efa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Miaraka amin’izy ireo any ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny lomano sy ny Tale teknika nasionaly, hiatrika ny kongresin’ny Fina. Araka ny fantatra, eo amin’ny sokajy Dos (50m-100m-200m) no hifaninanan’i Tendry amin’izao andiany faha-17 amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 25 m izao. Ho an’i Jonathan indray, rahampitso alarobia no hiaka-tsehatra han­dray anjara amin’ny 100 m Brasse, amin’ny asabotsy kosa izy no hifaninana eo amin’ny 50 m Brasse.
Mpilomano malagasy mendrika tamin’ity taom-pi­katrohana 2022 ity izy mianadahy ireto ka izao voafantina hiaro ny voninahi-pirenena any Aostralia izao. Sehatra goavana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany kanefa vonona i Tendry hahazo “re­cord national” sy hanatsara ny zava-bitany. Haharitra hatramin’ny 19 desambra izao ity fiadiana ny tompondaka eran-tany andiany faha-17, ho an’ ny dobo filomanosana 25 metatra ity.

Mi.Raz

Partager sur: