Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tenisy, natao tany Antsirabe, ny 5-11 desambra, nisy ny fivoriambe ara-potoana, notarihan’i Naina Zandina, filohan’ny Federasiona (FMT) sy ny ekipany, niaraka tamin’ireo filohan’ny ligim-paritra miisa enina dia Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony, Boeny, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, natrehin’ireo kaomisiona teknikam-paritra (CTR) sy ny solontenan’ny ministeran’ny Fanatanjahantena. Marihina fa tsy tonga noho ny antony manokana ny filohan’ny ligin’Amoron’i Mania. Nahazo ny fankatoavana 100% ny komity mpitantana, taorian’ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ara-moraly.
Ankoatra izay, tapaka nandritra io fivoriana io fa hisy fampivondronana ireo teknisianina rehetra eto Madagasikara, amin’ny taona ho avy. Natao hampivoarana ny taranja tenisy izany, mba hizaran’izy ireo traikefa ho an’ireo mpilalao zandriny.
Tetsy ankilany, nanao antso avo amin’ny minisitera mpiahy ny filohan’ny FMT fa mahatsiaro miady irery izy ireo, ary tsy mbola nahazo fanampiana avy amin’ny minisitera mihitsy, hatreto.
Fitia (Mpianatra Asa)